Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 2:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,

2. izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;

3. teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.

4. Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,

5. na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);

6. ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,

7. mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.

8. Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

Vakio ny toko manontolo Efesiana 2