Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 1:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra,

16. dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,

17. mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,

18. ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,

19. ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,

20. izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,

21. ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,

22. dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana,

Vakio ny toko manontolo Efesiana 1