Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 8:2-12 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.

3. Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.

4. Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.

5. Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.

6. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.

7. Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.

8. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.

9. Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;

10. ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.

11. Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.

12. Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 8