Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 4:16-27 Malagasy Bible (MG1865)

16. ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.

17. Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.

18. Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.

19. Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.

20. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.

21. Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.

22. Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.

23. Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.

24. Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,

25. ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?

26. Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).

27. Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao,

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 4