Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 28:21-27 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;

22. fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.

23. Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.

24. Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.

25. Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo

26. manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;

27. Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 28