Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 26:25-32 Malagasy Bible (MG1865)

25. Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.

26. Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.

27. Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.

28. Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.

29. Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.

30. Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;

31. ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.

32. Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 26