Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 24:16-24 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.

17. Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.

18. Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,

19. - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.

20. Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,

21. afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.

22. Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.

23. Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.

24. Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 24