Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 23:25-33 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:

26. Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.

27. Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.

28. Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;

29. dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.

30. Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.

31. Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.

32. Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.

33. Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 23