Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 22:28-30 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.

29. Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.

30. Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 22