Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 20:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.

2. Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.

3. Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.

4. Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.

5. Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.

6. Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.

7. Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.

8. Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.

9. Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.

10. Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 20