Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 18:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.

4. Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.

5. Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.

6. Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.

7. Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 18