Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 15:22-37 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;

23. ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.

24. Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,

25. dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatį»³ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,

26. lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.

27. Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.

28. Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:

29. dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.

30. Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.

31. Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.

32. Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.

33. Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.

35. Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.

36. Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.

37. Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 15