Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 14:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;

9. izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,

10. dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.

11. Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!

12. Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.

13. Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.

14. Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:

15. Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,

16. Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.

17. Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.

18. Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 14