Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 14:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.

19. Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.

20. Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.

21. Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,

22. nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

23. Ary rehefa nanendry loholona teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany.

24. Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.

25. Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.

26. Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.

27. Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.

28. Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 14