Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 13:45-52 Malagasy Bible (MG1865)

45. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy.

46. Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;

47. fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).

48. Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.

49. Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.

50. Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.

51. Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.

52. Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 13