Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 13:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.

3. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.

4. Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.

5. Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.

6. Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,

7. izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.

8. Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.

9. Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 13