Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 12:21-25 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.

22. Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!

23. Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.

24. Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.

25. Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 12