Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 12:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy ilay anjely.

11. Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.

12. Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.

13. Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.

14. Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.

15. Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.

16. Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.

17. Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.

18. Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?

19. Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.

20. Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 12