Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 7:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.

2. Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:

3. Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 7