Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 3:19-22 Malagasy Bible (MG1865)

19. Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.

20. Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

21. Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

22. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 3