Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 2:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:

2. Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;

3. ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.

4. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.

5. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.

6. Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 2