Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 14:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.

9. Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,

10. dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;

11. ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.

12. Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

13. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.

14. Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.

15. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 14