Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Timoty 4:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.

5. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

6. Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.

7. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;

8. hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.

9. Mazotoa hankatį»³ amiko faingana ianao;

10. fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.

11. Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.

12. Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.

13. Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.

14. Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

Vakio ny toko manontolo 2 Timoty 4