Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Timoty 4:16-22 Malagasy Bible (MG1865)

16. Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).

17. Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.

18. Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

19. Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;

20. Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.

21. Mazotoa hankatį»³ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.

22. Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Vakio ny toko manontolo 2 Timoty 4