Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tesaloniana 1:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,

9. dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,

10. raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.

11. Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana,

12. mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Vakio ny toko manontolo 2 Tesaloniana 1