Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Petera 3:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,

2. mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;

3. efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany

4. ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.

5. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,

Vakio ny toko manontolo 2 Petera 3