Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Petera 1:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:

2. hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.

3. Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany;

4. ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;

5. koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,

6. ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,

7. ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

8. Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.

9. Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.

10. Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;

11. fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.

12. Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.

Vakio ny toko manontolo 2 Petera 1