Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 8:10-24 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.

11. Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.

12. Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.

13. Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,

14. fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,

15. araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).

16. Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy amin'ny ahy.

17. Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.

18. Ary ilay rahalahy izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;

19. ary tsy izany ihany, fa efa notendren'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay.

20. Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;

21. fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona koa.

22. Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.

23. Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.

24. Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 8