Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 7:10-13 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.

11. Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo.

12. Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.

13. Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 7