Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 6:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.

11. Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.

12. Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.

13. Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.

14. Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?

15. Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?

16. Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 6