Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 4:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.

13. Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;

14. fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.

15. Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.

16. Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.

17. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,

18. raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 4