Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 2:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,

7. ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin'ny fitomboan'alahelo izany olona izany.

8. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.

9. Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.

10. Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason'i Kristy,

11. fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.

12. Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin'ny Tompo,

13. dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.

14. Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.

15. Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:

16. amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany?

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 2