Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 2:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.

14. Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.

15. Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:

16. amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany?

17. Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 2