Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 13:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.

10. Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.

11. Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.

12. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.

13. Ny olona masina rehetra manao veloma anareo.

14. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 13