Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 1:12-24 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.

13. Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,

14. toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.

15. Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),

16. ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.

17. Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?

18. Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;

19. fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.

20. Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.

21. Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,

22. Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.

23. Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.

24. Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 1