Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 1:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:

2. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3. Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,

4. Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.

5. Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 1