Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Jaona 1:10-13 Malagasy Bible (MG1865)

10. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;

11. fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.

12. Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

13. Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.

Vakio ny toko manontolo 2 Jaona 1