Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Timoty 4:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

9. Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.

10. Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.

11. Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.

12. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

13. Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.

14. Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona.

15. Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Vakio ny toko manontolo 1 Timoty 4