toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Timoty 2 Malagasy Bible (MG1865)

Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana

1. Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,

2. ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

3. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,

4. Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.

5. Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

6. sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.

7. Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.

8. Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.

9. Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,

10. fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.

11. Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.

12. Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.

13. Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.

14. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.

15. Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.