Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Timoty 1:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany.

16. Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.

17. Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

18. Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,

19. amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;

20. naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.

Vakio ny toko manontolo 1 Timoty 1