Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 3:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.

9. Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,

10. amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?

11. Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ

12. Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,

13. mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 3