Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Petera 5:5-14 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).

6. Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;

7. ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).

8. Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

9. tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.

10. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

11. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.

12. Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.

13. Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.

14. Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.

Vakio ny toko manontolo 1 Petera 5