Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Petera 2:14-24 Malagasy Bible (MG1865)

14. na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.

15. Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;

16. fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.

17. Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.

18. Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

19. Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.

20. Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.

21. Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;

22. "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);

23. raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;

24. ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).

Vakio ny toko manontolo 1 Petera 2