Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 7:14-21 Malagasy Bible (MG1865)

14. Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.

15. Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.

16. Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?

17. Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana rehetra.

18. Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.

19. Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin'Andriamanitra no izy.

20. Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany.

21. Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 7