Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 7:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.

2. Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.

3. Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.

4. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.

5. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.

6. Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.

7. Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.

8. Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.

9. Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.

10. Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,

11. (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.

12. Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.

13. Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.

14. Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 7