Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 16:19-24 Malagasy Bible (MG1865)

19. Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.

20. Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.

21. Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.

22. Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.

23. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;

24. ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 16