Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 16:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.

2. Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.

3. Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.

4. Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.

5. Hankatį»³ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -

6. ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako.

7. Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.

8. Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;

9. fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.

10. Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.

11. Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atį»³ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 16