Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 15:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.

8. Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.

9. Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho.

10. Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.

11. Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.

12. Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?

13. Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;

14. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.

15. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 15