Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 15:31-47 Malagasy Bible (MG1865)

31. Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.

32. Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13).

33. Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.

34. Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.

35. Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?

36. Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;

37. ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;

38. fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.

39. Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.

40. Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.

41. Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.

42. Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana;

43. afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;

44. afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.

45. Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona.

46. Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy.

47. Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 15