Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 15:14-31 Malagasy Bible (MG1865)

14. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.

15. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.

16. Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;

17. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;

18. dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.

19. Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

20. Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.

21. Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.

22. Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.

23. Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.

24. Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.

25. Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1).

26. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

27. Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.

28. Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.

29. Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?

30. Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?

31. Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 15